Teny iditra |
zavaboary
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Ny zavatra rehetra noarina, izany hoe nisy mpanao fa tsy nisy ho azy: Ny anjely sy ny olombelona no ambony indrindra amin' ny zavaboary rehetra Ny fitambaran' ny zavatra hitan' ny maso manonidina ny tena, toy ny habakabaka, ny rano, ny hazo: Lasam-binany izy nandinika ny zavaboary tamin' io maraina io [1.1]
|
| Fitambaran' ny manana aina, manan-kery, mihetsika na tsia ary mitoetra ato amin' izao tontolo izao sy eny amin' ny habakahaka [1.62]
|
Fanazavàna teny frantsay | Nature [1.13]
|
| [ zava-boary ] Nature [1.5]
|
Ohatra |
1 | Satria tazako mantsy fa mbola misy ireo zava-boary maro be ireo
[2.445]
|
2 | Izy no tompon'ny zavaboary ka manamboatra azy araka izay tiany.
[2.606]
|
3 | voalohany, betsaka ny mety hahafaly, hoy izy, eo amin'ny zava-boary
[2.314]
|
4 | Akory izany fahaizany milazalaza ny toetran'ny zavaboary amin' izany fotoana izany!
[2.314]
|
|
Teny fotony | zavatra,
voary |
Tsipelina hafa |
|